POLITIQUE :
INTERVIEW DU DÉPUTÉ TIM RAKOTOMANJATO RODIN

La situation politique malgache recommence à s’échauffer depuis la décision de l’État de démettre de leurs fonctions des maires élus du parti politique Mapar mais aussi avec le démarrage de la campagne de séduction et de mobilisation de l’ancien Président Marc Ravalomanana pour les prochaines élections présidentielles de 2018.

Actuellement, beaucoup d’hommes politiques critiquent l’inaction du gouvernement dans la lutte contre la pauvreté et dénoncent les différentes manœuvres pour faire taire et discréditer l’opposition.

Dans un interview, le député TIM d’Arivonimamo (Région Itasy) Rakotomanjato Rodin Edmond Georges, n’y va pas de main morte car il pense que notre pays se trouve dans une situation chaotique avec comme exemples l’inflation galopante, la corruption qui gangrène toute la société malgache et enfin le manque de vision à long terme pour le développement de Madagascar du Président Hery Rajaonarimampianina.

D’un autre côté pourtant, les tenants du pouvoirs affirment que la nation est maintenant sortie de la crise politique, pour preuve la reconnaissance du monde entier après la tenue du XVIe Sommet de la de la Francophonie et du Comesa.

#MALAGASY

Tato anatin’ny fotoana vitsivitsy izay, nafampana ny toe-draharaha politika teto amin’ny firenena. Ny raharaha Claudine Raizaimamonjy, ny resaka MBS, ny resaka fifidianana filoham-pirenena, ny resaka fanalana Ben’ny tanàna MAPAR, sns….

Andaniny, milaza ny fitondram-panjakana fa niha-nivoatra ny fiainam-pirenena, fantatr’izao tontolo izao i Madagasikara, indrindra fa tao aorian’ireny fandraisantsika ny fivorian’ny COMESA sy ny Frankofonia ireny.

Ankilany, mitaraina ny Malagasy ; miakatra ny vidin’ny solika, ny vidim-bary, ary ny saran-dalana ho 500Ariary dia efa nihatra saingy nisy ny tsy firaisan-kina teo amin’ny samy mpitatitra ka dia nijanona 400Ariary ihany aloha izany hatramin’ny androany kanefa dia ho avy ny fotoana tsy maintsy hiakatra io saran-dalana io.

Mitabataba ny antoko mpanohitra fa tsy mahavita azy ny fitondram-panjakana ka tokony hiala. Ny olom-boafidy toa ny ben’ny tanana tsy mpanohana ny fitondrana toa misy didim-panjakana manala azy ireny, ny raharaha MBS, ny TIKO group, sns…

Manoloana izany dia nanabara ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Arivonimamo, Atoa Rakotomanjato Rodin Edmond Georges, fa dia hivarina any an-kady ny firenena raha toa ka izao no mitohy.

Ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena farany teo dia nanamafy fa tena anisan’ny firenena miaina ao anaty fahantrana lalina i Madagasikara satria raha teo amin’ny laharana faha 18 amin’ny firenena mahantra indrindra isika teo aloha, amin’izao dia faha 5 avy aty aoriana.

Andoniaina Vally

#ENGLISH

The political situation in Madagascar has begun to worsen since the decision of the State to dismiss from the mayors of the Mapar political party but also with the start of the campaign of seduction and mobilization of former President Marc Ravalomanana for the next Presidential elections in 2018.

Currently, many politicians criticize the government’s inaction in the fight against poverty and denounce the various maneuvers to silence and discredit the opposition.

In an interview, the deputy TIM of Arivonimamo (Region Itasy) Rakotomanjato Rodin Edmond Georges, does not go a dead hand because he thinks that our country is in a chaotic situation with examples galloping inflation, corruption that Gangrene all the Malagasy society and finally the lack of long-term vision for the development of Madagascar of President Hery Rajaonarimampianina.

On the other hand, the proponents of power assert that the nation has now emerged from the political crisis, as proof of the recognition of the world after the XVIth Summit of the Francophonie and Comesa.

#PHOTOS


Photos : (c) LCVM

#VIDÉO

#LOCALISATION

#CONTACT

LE COEUR ET LA VOIX DE MADAGASCAR
TVMADA.COM – RADIOMADA.COM
BP. 3002
101 Antananarivo
Tel France : +33 (0) 7 82 96 12 35
Tel Madagascar : +261 (0) 34 93 281 97