POLITIQUE :
LE CONSEIL DE LA RÉCONCILIATION MALAGASY

Les multiples Lois sur la Réconciliation Nationale stipulent toutes que ce sont des processus et des intentions destinés à rétablir la Paix, l’Équité entre les territoires, la Concorde Nationale et l’Unité de Madagascar suite aux nombreuses crises qu’a enduré notre pays depuis son indépendance.

Dans la dernière Loi 2017-165 du 09 mars 2017 qui créée cette nouvelle institution, il est prévu est un représentant de chacune de nos 22 régions qui sera sélectionné par un Comité de Sélection présidé par le Pasteur Emmanuel Djacoba Tehindrazanarivelo qui appliqueront des critères drastiques de moralité et de probité.

Depuis la dernière Élection Présidentielle, notre île a retrouvé pleinement son retour dans le cercle des nations mais est-ce pourtant une raison pour affirmer qu’à l’issue de cette « Réconciliation Nationale » on pourra prévoir qu’on sortira de nos difficultés et de cette atmosphère politique délétère qui nous empêche d’avancer et d’enfin connaître le développement ?

M.R.

#MALAGASY

Anisan’ny mbola maha-voakiana ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ny mbola tsy fitsanganan’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy. Noho izany dia najoro ny vovonana amin’ny fisafidianana nasionaly ireo mambra ao amin’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na « Comité de séléction national des membres du conseil » du Fampihavanana Malagasy (CSN/CFM). Didim-panjakana laharana faha 2017-165 tamin’ny 09 Mars 2017 no nananganana ity vovonana ity. Ary mihisa 7 ireo mpikambana ao aminy ka voatendry ho filohan’izany vovonana izany ny pastora Emmanuel Djacoba Tehindrazanarivelo.

Najoro ity komity ity mba hikarakara ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo olona rehetra hilatsaka ho mambra ao anatin’ity FFM ity. Ka mihisa 22 ireo mpikambana ao anatin’ny FFM, izany hoe solotena iray avy isaky ny faritra 22. Maro maro ihany ny fepetra takiana amin’ireo milatsaka ho fidiana ho mambra ato amin’ity FFM ity. Anisan’izany ny fananana toetra mendrika, manana traik’efa amin’ny resaka fampihavanana, tsy mbola nisazy, tsy mbola niteny ampahibe-maso ho mankahala ny fampihavanam-pirenena, matotra, ny maha-Malagasy feno 40 taona.

Misokatra ny faha 14 Jiona 2017 izao ka hatramin’ny faha 14 Jolay 2017 ny fanaterana antontan-taratasy ao amin’ny “Batiment de l’Organisation international de la Francophonie” Niveau 0 Antaninarenina na eny anivon’ny distrika 119 na alefa paositra. Maharitra 75 andro moa ny fotoana hiasan’ity CSN/CFM ity, izany hoe mialohan’ny fitsanganan’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy.

Manana ny anjara toerany lehibe tokoa ity Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy ity satria izy no miantoka ny filaminana sy fahaleemana eto amin’ny firenena, izy ity ihany koa no manomana sy mikarakara ny fampihavanam-pirenena, mametraka ny fitoniana ara politika rehetra hahafahana mametraka fampihavanam-pirenena tena izy, izy ity ihany koa no manao ny fanadihadiana rehetra nandritra ny tranga sy ny zava niseho teto amin’ny firenena nanomboka ny taona 2002 teto Madagasikara,sns….

Andraikitra mavesatra tokoa no tsy maintsy sahanin’ity Vovonana Fampihavanam-pirenena ity ka izay no antony nametrahana komity manokana hisafidy ireo olona handrafitra azy.

Andoniaina Valy

#ENGLISH

The many Laws on National Reconciliation all stipulate that these are all processes and intentions intended to restore Peace, National Concord and Unity of Madagascar following the many crises that have endured our country since its independence.

For the last Law 2017-165 of March 9, 2017, which created this new institution, a representative from each of our 22 regions is expected to be selected by a Selection Committee chaired by Pastor Emmanuel Djacoba Tehindrazanarivelo who will apply drastic criteria of Morality and probity.

Since the last Presidential Election, our island has fully recovered its return to the circle of nations but is this a reason to affirm that at the end of this « National Reconciliation » we can foresee that we will emerge from our difficulties and Of this deleterious political atmosphere which prevents us from advancing and finally learning about development ?

#PHOTOS


(c) LCVM

#DOCUMENT

Loi 2016-037 (Pdf)

#VIDÉOS

– Reportage


(c) LCVM

#LOCALISATION

#CONTACT

LE COEUR ET LA VOIX DE MADAGASCAR
TVMADA.COM – RADIOMADA.COM
BP. 3002
101 Antananarivo
Tel France : +33 (0) 7 82 96 12 35
Tel Madagascar : +261 (0) 34 93 281 97