PATRIMOINE :
FI.MPI.MA – FIKAMBANAN’NY MPIKABARY MALAGASY

L’association Fi.Mpi.Ma est un regroupement des orateurs malgaches qui pratiquent la langue « Malagasy ». Ils mettent en avant la richesse de notre vocabulaire ancestral et en même temps ambitionnent de sauvegarder nos valeurs et de transmettre notre langue commune.

N’oublions pas que Madagascar est constitué de plusieurs ethnies qui ne parlent pas les mêmes dialectes mais arrivent pourtant à se comprendre avec le « Malagasy ofisialy ». Chaque région de notre île disposent d’une culture oratoire spécifique qui participe à l’enrichissement et à la diversité de notre Nation.

Depuis plusieurs années, les adhérents du Fi.Mpi.Ma ne cessent de développer le rayonnement de notre culture à l’étranger et de préserver nos traditions pour la génération future sur place et aussi à l’intention de la Diaspora Malgache du monde entier.

Ainsi, dans de nombreuses villes de France, vous pouvez apprendre le « Kabary », cet Art de prendre la parole en public tout en affirmant haut et fort notre attachement à la langue « Malagasy ».

Dernièrement, un rassemblement de ces membres « Sampana Frantsa » s’était tenu à Bordeaux pour l’inauguration des nouvelles sections des villes de Bordeaux, de Nantes, de Rennes et de Brest mais aussi de l’intronisation des nouveaux diplômés.

M.R.

#MALAGASY

Notanterahina teto Bordeaux ny asabotsy faha 1 Aprily 2017 ny lanonana lehibe fanolorana mari-pahaizana ireo afaka fanadinana : “andiany RAZANAMALALA Rety” avy ao Nantes sy Rennes, “tarika Hasitsoa” avy ao Toulouse ary “andiany Tatamo” avy eto Bordeaux.

Nisy koa fanasalorana lamba ny “andiany Lazan’I Bordeaux”, “andiany Tatamo”, “andiany Miara-mirindra” avy ao Nantes, ary ny “andiany Valisoa” sy “Vakomanitra” avy ao Toulouse.

Ary farany nisy ny fitokanana ny “sampana Bordeaux” sy ny “sampana Menamasoandro” ivondronan’i Nantes sy Rennes ary Brest.

Tonga nanatrika izany lanonana izany ny Filoha FI.MPI.MA maneran-tany, ny Talen’ny fampianarana sy fikarohana ivelan’ny Nosy, ny Filoha faritany FI.MPI.MA Frantsa, ny biraom-paritany FIMPIMA Frantsa ary ireo mpiandraikitra eo anivon’ny sampana.

Maro dia maro ny olona tonga nanatrika ny lanonana izay nisy fiaraha-misakafo nafanaina tamin’ny seho an-tsehatra : kabary, don-tandroka, vakodrazana ary hira sy dihy malagasy.

Nivoitra nandritra ny lanonana fa “izay tia ny Tenindrazany, tia ny Tanindrazany“ ary ny fihavanana Malagasy dia toy ny « akondro ery andrefan-tanàna , tazanina haingon’ny saha, atonina fialokalofana, andrandraina milonjeni-boa, tsapaina masaka ifotony, andramana sady mamy no tohan’aina”.

Ny FI.MPI.MA moa dia Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy izay miaro sy manondrotra ny fomba amam-pitenenana Malagasy amin’ny alalan’ny kabary.

Tany Madagasikara no niandohany ary nivelatra niampita any andafindranomasina amin’ny tany maro noho ny fikirizan’ireo mpiandraikitra isan-tsokajiny ao anatiny ary ny mbola fifantohan’ny Malagasy ivelan’ny Nosy amin’ny vakoka mampiavaka azy.
Ny Faritany Frantsa no niantombohan’ny fivelarana aty ampita ary tsy mitsahatra mitombo isa ny sampana mijoro ao anatin’io faritany io.

Anita Ramanankaja

#ENGLISH

The association Fi.Mpi.Ma is a group of Malagasy speakers who practice the language « Malagasy ». They highlight the richness of our ancestral vocabulary and at the same time aim to safeguard our values ​​and transmit our common language.

Let us not forget that Madagascar is made up of several ethnic groups that do not speak the same dialects but yet come to understand themselves with the « Malagasy ofisialy ». Each region of our island has a specific oratorical culture that contributes to the enrichment and diversity of our nation.

For several years, members of Fi.Mpi.Ma have continued to develop the influence of our culture abroad and to preserve our traditions for the future generation on the spot and also for the Malagasy Diaspora around the world.

Thus, in many cities of France, you can learn the « Kabary », this Art of speaking in public while affirming loud and clear our attachment to the language « Malagasy ».

Recently, a gathering of these members was held in Bordeaux for the inauguration of the new sections of the cities of Bordeaux, Nantes, Rennes and Brest but also the enthronement of new graduates.

#PHOTOS


Photos : (c) A.R.

#LOCALISATION

#CONTACT

FIKAMBANAN’NY MPIKABARY MALAGASY

– Siège Madagascar
Immeuble CENAM, 67 ha Atsimo
101 Antananarivo
Email : fimpima_kabary @ yahoo.fr 
Tel Madagascar : +261 (0) 34 04 188 97 / +261 (0) 34 04 188 97

LE COEUR ET LA VOIX DE MADAGASCAR
TVMADA.COM – RADIOMADA.COM
BP. 3002
101 Antananarivo
Tel France : +33 (0) 7 82 96 12 35
Tel Madagascar : +261 (0) 34 93 281 97