INFRASTRUCTURES :
POLÉMIQUE SUR LA NOUVELLE GARE ROUTIERE D’ANDOHATAPENAKA

L’État malgache vient d’inaugurer le chantier de construction de la nouvelle Gare Routière d’Andohatapenaka, équipée d’une station service, à Antananarivo et sur un terrain de 4 Ha grâce à un Partenariat Public Privé entre le Ministère auprès de la Présidence en charge des Projets Présidentiels, de l’Aménagement du Territoire et de l’Equipement et le Groupe Total.

Ce projet permettra de désengorger les gares routières d’Ambodivona et du Fasan’ny Karàna qui déservent actuellement les routes nationales 1, 4 et 6. Ainsi, l’État apporte le terrain sous la forme d’un bail emphytéotique de 50 ans et le Groupe Total aménage les infrastructures.

Néanmoins, ce programme est sujet à polémique pour cause de non respect des procédures d’attribution des marchés publics et d’expropriation illicite de cet ancien terrain du Groupe Tiko de l’ancien Président Marc Ravalomanana.

#MALAGASY

– FANOKANANA

Notanterahana teny amin’ny tany malalaka teny Andohatapenaka ny fametrahana ny vato fehizoro hanamboarana gare routière ho an’ny taxi brousse mizotra amin’ny lalam-pirenena RN1, RN4 ary RN6.

Tonga nanatrika ity lanonana ity moa ny manakaja maro toa ny minisitry ny fitaterana / Benjamina Ramanantsoa, ny minisitry ny tetik’asan’ny filoham-pirenena sy ny Fanajariana ny tany ary ny Fampitaovana Narson Rafidimanana, ny tale jeneralin’ny Groupe Total Madagascar, ny solotenan‘ny mpitatitra ary ireo olo-manakaja maro sivily sy miaramila.

Ity toby fiantsonan’ny taxi brousse atsy Andohatapenaka ity moa dia anisan’ny goavana indrindra eto Madagasikara satria dia koperativa-na mpitatitra mihisa 60 eo eo no hajoro eto miaraka amin’ny toerana malalaka hiandrasana ieo vao ho tonga sy vao andeha.

Ny Mpanijara solika Total moa no namatsy vola tamin’ity tetik’asa lehibe ity. Ary tafiditra ao anatin’ny tetik’asan’ny filoham-pirenena hanatsarana ny lafiny fitanterana moa ity fanagnanana toeram-piantsonana eto Andohatapenaka ity.

Ankoatra izany, ity toeram-piantsonana eto Andohatapenaka ity no voalohany hisy ilay famahanana ireo fiara mandeha amin’ny herinaratra eto Madagasikara hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Total Madagascar ary hisy ihany koa ny toby famatsiana solika hajoro eto izay mandeha amin’ny herin’ny Masoandro.Ny groupe Total moa dia ankoatra ny maha mpaninjara solika azy dia mpandraharaha amin’ny angovo azo havaozina ihany koa izy amin’ny alalan’ny orinasany Sun Power.

Ity tany ety Andohatapenaka ity moa dia mbola hifandroritana amin’ny filoha teo aloha ka andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha.

– CUA

Taorian’ilay fametrahana ny vato fototr’ilay toeram-piantsonana lehibe nataon’ny fitondram-panjakana omaly tamin’ny alalan’ny Ministry ny tetik’asan’ny filoham-pirenena Narson Rafidimanana dia nampiantso mpanao gazety androany ny Kaominina Antananarivo renivohitra tamin’ny Tale kabinetrany.

Nanamarika moa ny Kaominina Antananarivo renivohitra fa tsy nisy fifanarahana velively araka ny nambaran’ny Minisitra teo amin’ny Fanjakana sy ny kaominina.

Ity tany etsy Andohatapenaka ity moa dia mbola misoratra amin’nAtoa Ravalomanana Marc anefa ny fanjakana dia milaza fa efa miverina amin’ny fanjakany ny tany taorian’ireny taona 2009 ireny.

Manamafy moa ny kaominina fa ny fanjakana ihany no namoaka didy fa tsy azo kitihan’ny roa tonta aloha ity tany ity mandrapiandry ny didim-pitsarana mahakasika izay tena tompony marina.

Gaga anefa ny kaominina fa dia io tonga io ny fanjakana hanorina hatrany ilay tetik’asan’ny filoham-pirenena anefa ny fitsarana tsy mbola nanome valiteny akory.

Andoniaina Valy

#ENGLISH

The Malagasy State has just inaugurated the construction site of the new Andohatapenaka Bus Station equipped with a service station in Antananarivo on a 4Ha plot thanks to a Private PubliC Partnership between the Ministry and the Presidency in charge of Projects Presidential, Territorial Development and Equipment and the Total Group.

This project will relieve congestion at the bus stations of Ambodivona and Fasan’ny Karàna, which are currently serving National Roads 1, 4 and 6. Thus, the State is providing the land in the form of a 50-year long lease. Total Group is developing the infrastructure.

However, this program is subject to controversy due to non-compliance with the procedures for the award of public contracts and the unlawful expropriation of this former site of the Tiko Group of former President Marc Ravalomanana.

#PHOTOS


(c) LCVM

#VIDÉOS

– Inauguration du Chantier

– Réponse Commune Urbaine d’Antananarivo

(c) LCVM

#LOCALISATION

#CONTACT

LE COEUR ET LA VOIX DE MADAGASCAR
TVMADA.COM – RADIOMADA.COM
BP. 3002
101 Antananarivo
Tel France : +33 (0) 7 82 96 12 35
Tel Madagascar : +261 (0) 34 93 281 97