JUSTICE :
LE BRAS DE FER ENTRE LE SMM ET LE GOUVERNEMENT

Les justiciables malgaches sont de nouveau pris en étau entre le Syndicat des Magistrats de Madagascar (SMM) et le Gouvernement. Ainsi, face aux intimidations et aux différentes actions qui portent atteintes à l’indépendance de la Justice, le torchon brule entre ces deux institutions avec le risque de grève et donc de fermeture de toutes les juridictions sur tout le territoire malgache.

Depuis l’affaire Claudine Razaimamonjy, considérée comme proche du Président de la République et poursuivie pour détournement de fonds, on constate un emballement, des crispations et de réelles menaces de déstabilisation de l’appareil judiciaire.

Beaucoup de nos compatriotes crient ainsi leur désespoir face à cette corruption qui gangrène toute la société malgache. On voit mal comment notre pays pourra guérir et éradiquer ce mal très bien implanté dans toutes les rouages de nos administrations et de nos collectivités à moins d’un traitement de choc généralisé en vérifiant par exemple les enrichissements sans raisons et le patrimoine de toutes les personnes qui ont ou avaient des responsabilités ces dernières décennies.

M.R.

#MALAGASY

Mananontanona indray ny fitokonana eny anivon’ireo fitsarana rehetra manerana ny Nosy. Satria dia nilaza ireo mpitsara mivondrona ao amin’ny SMM na Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara fa hiroso amin’izany fitokonana izany izy ireo, folo andro aorian’ny hanateran’izy ireo ireo antontan-taratasy mikasika ny fitakian’izy ireo eny amin’ny tompon’andraikim-panjakana ka handinihan’ireto farany izany fitakiana izany.

Anisan’izany ny tombotsoan’ireto mpitsara ireto izay tokony hataon’ny fitondram-panjakana ny hanatanteraha azy, ao ihany koa ny fanajanonana ny fampiasana ny fitsarana ho fitaovana politika ary ny fitantanana ny fomba hamindran-toerana mpitsara, sns…

Raha tsiahivina dia tsy vao ela no nisy fitokonana tety amin’ny fitsarana izay nataon’ireo mpiraki-draharaha ka nampihitsoka tanteraka ny raharaham-mpitsarana rehetra ka maro ireo niveri-maina kanefa nanana raharaha tety amin’ny fitsarana. Amin’izao fanambanana fitokonana izao indray dia hita sahady ho miferinaina ireo vahoaka satria dia ho sahirana ireo manan-draharaha ety amin’ny fitsarana ety.

Ankoatra izay moa ny an’ireo mpiraki-draharaha izay tsy ho ela ihany koa dia hiroso amin’ny fitokonana izy ireo raha tsy vahan’ny fanjakana ny fitakian’izy ireo. Tsapa noho izany fa hisedra olana ny raharaham-pirenena ato ho ato noho ireo fitakiana maro samihafa ireo kanefa an-kilany ny fitondram-panjakana dia manambara fa tsy manana teti-bola hamaliana ny fitakian’ireto sampandraharaha mitaky ny tombotsoany ireto. Ho hita miandalana ihany ny fivoaran’ny toe-draharaha.

Andoniaina Valy

#ENGLISH

Malagasy litigants are once again caught between the Magistrates’ Union of Madagascar (SMM) and the Government. Thus, in the face of intimidation and the various actions that impinge on the independence of the judiciary, the rag is burning between these two institutions with the risk of strike and thus closure of all jurisdictions throughout the Malagasy territory.

Since the Claudine Razaimamonjy affair, regarded as close to the President of the Republic and prosecuted for embezzlement, there is a runaway, tense and real threats to destabilize the judiciary.

Many of our compatriots thus shout their despair at the corruption that is plaguing Malagasy society. It is hard to see how our country will be able to cure and eradicate this evil very well implanted in all the workings of our administrations and our communities unless a generalized shock treatment by checking for example the enrichments without reasons and the heritage of all the people Who have or had responsibilities in recent decades.

#PHOTOS


(c) LCVM

#VIDÉOS

– Reportage

– Interview


(c) LCVM

#LOCALISATION

#CONTACT

LE COEUR ET LA VOIX DE MADAGASCAR
TVMADA.COM – RADIOMADA.COM
BP. 3002
101 Antananarivo
Tel France : +33 (0) 7 82 96 12 35
Tel Madagascar : +261 (0) 34 93 281 97