SPORT :
LA PASSION DE LA PÉTANQUE AVEC « KANETY STAR »

20131130_KanetyStar_0

Anisan’ireo firenena manana ny maha izy azy ny Malagasy raha ny eo amin’ny tsipy kanety be no horesahina.
Tsy nitsahatra nahitana fivoarana ity taranja ity tato ho ato satria mantsy tamin’ireo lalao iraisam-pirenena izay nandraisan’i Madagasikara anjara dia tany amin’ny dingana ambony avokoa vao nijanona, tamin’ny fiadiana ny amboara eran-tany tsipy kanety be « Masters » izay tany Monaco no nanaovana ny lalao famaranana farany teo moa dia ny Malagasy no nandrombka ny amboara ankohatra an’I Frantsa izay mpampiantrano.

audio video photos map

LALAO ANATINY

Eo ampamarana ireo fifaninana maro isan-karazany amin’izao fotoana izao ity taranja ity. Misy ny « Tournoi 32ème Anniversaire » izay atao any Fianarantsoa amin’ity faran’ny erin’andro ity ka roa andro no faharetany, ary ny “tournoi de Litchi” kosa any amin’ny ligin’I Toamasina ny 6-7 Desambra 2013 ho avy izao, ary ny « Grand Tournoi Festival du Marmute » any ambatolampy ny 14-15 Desambra 2013, andraisan’ireo mpilalao sangany manerana ny Nosy avokoa moa ireo lalao ireo.

Misy moa ny olana ara-teknika izay sedrain’ny mpikarakara ka izany indrandra no antony manokana tsy ahafahana mikarakara fifaninana mifanesy anatin’ny taona iray. Tsy manana kianja manara-penitra « boulodrome » azo andraisana lalao afatsy ao amin’ny CBT Mahamasina mantsy isika, nefa tsy azo ampiasaina ihany koa rehefa tong any fotoam-pahavaratra raha araka ny nambaran’Atoa Razafindrasendra Victoria, « Technicien de Fédération Malgache du Pétanque ».

Nambarany nefa fa arakaraky ny isian’ny fifaninana matetika no mampitombo ny traikefan’ireo mpandray anjara, ka ahafahana manana ekipam-pirenena tena matianina afaka hiatrika tsara ireo lalao iraisam-pirenena maro samy hafa ary tsy ampitsanga menatra ny Malagasy.

Manana vinavina araka izany ry zareo ao amin’ny federationa ny hanganana kianja mitafo iray atokana hoan’ny tsipy kanety be, ny lafiny entimanana anefa no mametraka olana eo amin’izy ireo ka itodiany any amin’ireo tompon’andraikitra mahaefa sy ireo mpankafy ny taranja indrindra ireo izay afaka manome tolon-tànana mba hifandrimbona amin’ny fanatanterahana io foto-drafitr’asa io.

Reportage : Randrianantenaina H.L.

KANETY STAR
265, Rue des Laboratoires
Mandrosoa Ivato
101 Antananarivo
Email : contact @ kanetystar.com

Site: www.kanetystar.com

LOCALISATION


Agrandir le plan

AUDIO

VIDEO

PHOTOS

Article Global Facebook Twitter Myspace Friendfeed Technorati del.icio.us Digg Google StumbleUpon Eli Pets