VAOVAO -INFOS – NEWS :
MED’S EVENT POUR MIEUX FAIRE CONNAITRE LA FILIERE MEDECINE

«Med’s Event », est une manifestation dédiée à mieux faire connaître la filière Médecine à l’Université d’Ambohitsaina Ankatso d’Antananarivo.

Cette manifestation placée sous le haut patronage de son excellence Monsieur le Premier Ministre et celle du Ministère de la Santé et le Ministère de la Recherche Scientifique avait duré 2 jours du 15 au 17 Mars 2017.

Diverses activités ont été organisées pour améliorer la relation entre les professeurs et les étudiants, à savoir, le Reboisement, les rencontres sportives ou même un concours de Miss et de Mister, et tant d’autres.

#MALAGASY

« Mpianatra ho mpitsabo mendrika ho an’ny fireneko » io no teny filamatra nentin’ny mpianatra tetsy amin’ny Oniversitean’Antananarivo Ambihitsaina nankalaza ny « Lanonan’ny Fitsaboana ».

Hetsika iray ahafahan’ireo mpiofana ho Dokotera hialana voly sy hifankalalana eo amin’ny samy mpianatra ho mpitsabo. Sampana maro ao anatin’ny Fitsaboana no nandray anjara tamin’izany : ny fitsaboana ny olona, ny eo amin’ny veterinera, sns…

Maro dia maro ny hetsika natao tamin’izany toy ny Zumba, ny fambolen-kazo, ny fampisehoana ny tarika Gospel ao amin’ny fakiolte Fitsaboana.

Tanjona ao anatin’izany ny fanitarana ny fahalalana satria fotoana izay ahazoan’ny mpianatra sy ny mpampianatra mifampiresaka, mifanoro hevitra izany hoe fanitaram-pahalalana bebe kokoa.

Ity hestika ity moa izay teo ambanin’ny fiahian’ ny ministeran’ny fahasalamana tanteraka.

Maniry moa ireto mpianatra mba hampaherezana azy ireo nohon’ny fahalavitan’ny fianaran’izy ireo sy ny mba hanomezana mametraka mpitsabo amin’ny toerana maha-izy azy eny amin’ny fiaraha-monina sy ny fanjakana, indrindra ireto mpianatra mivoaka avy eny amin’ny anjery manontolo ireto.

Andoniaina Vally

#PHOTOS

#VIDÉO

#LOCALISATION

#CONTACTS

LE COEUR ET LA VOIX DE MADAGASCAR
TVMADA.COM – RADIOMADA.COM
BP. 3002
101 Antananarivo
Tel France : +33 (0) 7 82 96 12 35
Tel Madagascar : +261 (0) 34 93 281 97