DÉVELOPPEMENT :
LE SALON INTERNATIONAL TOURISM FAIR MADAGASCAR

La 6ème édition du salon International Tourism Fair Madagascar, s’était déroulé au village Voara à Antananarivo du 8 au 11 juin dernier avec pays comme invité et mis à l’honneur la Chine. Lors de l’inauguration de ce grand évènement par le ministre Roland Ratsiraka, les visiteurs ont pu apprécier la grandeur de cette grande nation à travers la richesse de sa culture et de la diversité de son peuple.

Durant ces quelques jours, les nombreux professionnels du tourisme de l’Océan Indien présentaient chacun les atouts de leurs destinations ou de leurs services auprès de 10.000 visiteurs malgaches et étrangers. On a pu ainsi découvrir différents stands allant des hôtels aux parcs nationaux en passant par les offices de tourisme.

Pour Madagascar en particulier, le Tourisme est un gros secteur d’avenir vecteur de développement et d’apport en devises mais qui exige un vrai professionnalisation des différents acteurs ainsi que des investissements conséquents dans la capacité d’accueil, le transport et la sécurité de voyageurs.

M.R.

#MALAGASY

Notanterahina tetsy amin’ny Voara Andohatapenaka ny ITM na « International Tourism Fair Madagascar ». Hetsika hampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara. Ny lafiny fizahantany moa dia tena mampidi-bola betsaka tokoa ao amin’ny kitapo bolam-panjakana, ary manampy be dia be amin’ny famoronana asa, amin’ny fampandrosoana, amin’ny fananganana fotodrafitr’asa, sns…

Amin’ity hetsika ITM 2017 ity dia napetraka ny lohahevitra « Madagasikara, toeram-pitsangatsanganana mahafinaritra, tadiavina satria manan-karena ». Andiany faha enina moa ity hetsika ITM ity ary tamin’ity indray mitoraka ity dia ny firenena sinoa no vahiny manokana nasaina tamin’izy ity.

Araka izany dia tonga maro dia maro ireo delegasiona sinoa, izay notarihin’ny minisitra lefitr’izy ireo. Ankoatra izay, dia hametraka fifandraisana amin’ny lafiny sidina mankany Chine ireo sinoa ka tonga eto ihany koa ireo “Tour opérateur” sinoa maro be. Amin’ny taona ambony dia ny firenena Afrikana Tatsimo no vahiny manokan’ny ITM andiany faha fito.

Ny resaka fizahantany moa dia, araka ny voalaza teo aloha dia tena mampidi-bola betsaka tokoa ho an’ny firenena, satria ny taona 2016 dia nampiditra lelavola mitentina 150 Tapitrisa dolara ny fizahantany, ary ny taona 2015 dia 100 Tapitrisa dolara no nampidirin’ny fizahantany ao amin’ny kitapo bolam-panjakana. Ankoatra izany ny laza sy ny tombotsoa hafa entin’izany fizahantany izany.

Tsara dia tsara tokoa izany kanefa dia miankina amin’ny toe-draharaham-pirenena anefa no hahatongavan’ireo mpizahantany ireo satria nandritra ny tetezamita, dia tena zara raha nisy ireo mpizahantany tonga teto noho ny korontana ara politika nisy teto aminny firenena. Amin’izao fotoana izao mantsy, malaza sy misesisesy ireo fakàna an-keriny vahiny izay hanimba ny endrik’I Madagasikara mihitsy.

Andoniaina Valy

#ENGLISH

The 6th edition of the International Tourism Fair Madagascar, took place in the village Voara in Antananarivo from June 8 to 11 with country as guest and honored China. At the inauguration of this great event by Minister Roland Ratsiraka, visitors were able to appreciate the greatness of this great nation through the richness of its culture and the diversity of its people.

During these few days, the numerous professionals of the tourism of the Indian Ocean each presented the assets of their destinations or their services with 10.000 Malagasy and foreign visitors. It was thus possible to discover various stands ranging from hotels to national parks to tourist offices.

For Madagascar in particular, tourism is a major sector of the future, which is a vector for development and foreign exchange, but which requires a real professionalization of the different players and significant investments in the capacity of reception, transport and security of travelers.

#PHOTOS


(c) LCVM

#VIDÉOS

– Reportage

– Interview Ministre du Tourisme

– Interview FHORM


(c) LCVM

#DOCUMENT

Présentation ITM 2017 (Pdf)

#LOCALISATION

#CONTACT

OFFICE NATIONAL DU TOURISME DE MADAGASCAR
Lot IBG 29 C – Antsahavola
101 Antananarivo
Email : communication.itm @ ontm.mg
Siteweb : www.madagascar-tourisme.comFacebook
Tel Madagascar : +261 (0) 34 20 661 26

LE COEUR ET LA VOIX DE MADAGASCAR
TVMADA.COM – RADIOMADA.COM
BP. 3002
101 Antananarivo
Tel France : +33 (0) 7 82 96 12 35
Tel Madagascar : +261 (0) 34 93 281 97