COOPÉRATION :
LA SEMAINE DE L’EUROPE A MADAGASCAR

Durant une semaine la Délégation de l’Union Européenne organise la semaine de l’Europe à Madagascar pour faire connaître les 28 pays de ce continent situé à des milliers de notre île ainsi que de mettre en valeur les actions de coopération qui existent depuis 1959.

Selon l’Ambassadeur de l’Union Européenne, Antonio Sanchez-Benedito, le programme de cette commémoration des 60 ans des traités de Rome sera axé sur le rôle important de la jeunesse dans le développement et cela à travers des débats, des expositions, des concerts et des projections de films.

Rappelons qu’avec le retour à l’ordre constitutionnel en 2014, Madagascar bénéficie de nouveau de leur contribution au titre du Fond Européen de Développement (FED), dans le cadre de l’accord de Cotonou, dans différents domaines tels que le social, les infrastructures et l’agriculture sans parler des aides d’urgences lors des catastrophes naturelles.

M.R.

#MALAGASY

Tanterahana ny faha 05 Mai ka hatramin’ny faha 12 Mai izao ny fankalazana ny « semaine de l’Europe » na herinandron’ny vondrona eropeanina.

Fandaharam-potoana maro no hanamarihana izany fankalazana azy ka manomboka ny faha 5 Mai dia hisy ny kaoferansa arahina adihevitra mahakasika ny fiaraha miasa nisy teo amin’ny Madagasikara sy ny vondrona eropeanina, ny fankalazana ny andron’ny horonantsary eropeanina arahina fandefasana ilay horonantsary malagasy « Malaso Madagascar » izay nototosain’i René Fulgence Tovondrainy.

Mbola maro tsy voatanisa ny fandaharam-potoana izay hotanterahina ho fankalazana izay herinandron’ny vondrona eropeanina izay mandrapahatongan’ny faha 12 Mai 2017.

Raha tsiahivina mantsy dia ny faha 9 Mai 1950, dimy taona taorian’ny ady lehibe faharoa dia nisy ny tsao-kevitra hananganana vondrona iray misahana ny famokarana charbon sy vy teo amin’ny firenena frantsay sy alemana.

Amin’izao fotoana izao dia mihisa 28 ireo firenena eropeanina ka anisan’ny vondrona matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany izy amin’ny resaka fampandrosoana sy ny maha-olona. Marihina mandritra izany fankalazana ny herinandron’ny vondrona eropeanina izany ihany koa ny fankalazana ny faha 60 Taonan’ny sonia tany Roma, nitsanganan’ny Eropa voalohany indrindra.

Zava dehibe tokoa ity fankalazana ny herinandron’ny vondrona eropeanina ity indrindra ho an’i Madagasikara satria ny vondrona eropeanina dia anisan’ny mpamatsy vola tsy nisaraka tamin’ny Madagasikara ary nanampy foana na ara-bola na ara-toekarena na ekonomika indrindra moa ny maha-olona, raha tsy hiresaka ny 11ème FED izay vao azontsika vao tamin’ny herinandro avy tamin’ny vondrona eropeanina.

Ankoatr’izay dia hanamarika ny tantaran’ny firenena ihany koa ny hankalazana sahady ny faha 60 taona niarahan’i Madagasikara sy ny vondrona eropeanina amin’ny taona 2018.

Andoniaina Valy

#ENGLISH

For a week the European Union Delegation is organizing the Europe week in Madagascar to make known the 28 countries of this continent located to thousands of our island as well as to highlight the cooperation actions that have existed since 1959.

According to the European Union Ambassador, Antonio Sanchez-Benedito, the program of this commemoration of the 60th anniversary of the Rome Treaties will focus on the important role of youth in development through debates and film screenings.

Recall that with the return to the constitutional order in 2014, Madagascar again benefits from their contribution under the European Cotonou Agreement under the European Development Fund (EDF) in various fields such as social, Infrastructure and agriculture, not to mention emergency aid during natural disasters.

#PHOTOS


(c) LCVM

#VIDÉOS

– Reportage

– Interviews

(c) LCVM

#LOCALISATION

#CONTACT

DÉLÉGATION DE L’UNION EUROPÉENNE A MADAGASCAR
9ème Etage – Tour Zital – Ankorondrano
BP. 746
101 Antananarivo
Email : delegation-madagascar @ eeas.europa.eu
Siteweb : www.eeas.europa.euFacebook
Tel Madagascar : +261 (0) 20 22 242 16

LE COEUR ET LA VOIX DE MADAGASCAR
TVMADA.COM – RADIOMADA.COM
BP. 3002
101 Antananarivo
Tel France : +33 (0) 7 82 96 12 35
Tel Madagascar : +261 (0) 34 93 281 97