LOISIRS :
SOMANAY – LE JEU INTERVILLES À MADAGASCAR

Handray anjara feno amin’ilay SOMANAY INTERVILLES ny orinasa Orange. Mandritra izany dia hisy ny tolotra manokana avy amin’ity orinasa ity, toy ny finday, ankoatra izay dia hisy fizarana zavatra maro mandritra ny herinandro. Hahazo tombony koa ireo mividy “packs orange” na mpampiasa ny Orange Money. Izany no atao dia tafiditra indrindra ao anatin’ny SOMANAY INTERVILLES izay hampiara-dalana ny fanatanjahantena sy ny karazan-dalao ary ala-voly.

SOMANAY INTERVILLES izay mitovitovy endrika amin’ilay fandaharana manokana mandeha ao amin’ny fahitalavi-pirenena entinan ireo namana roa. Eny amin’ny kianja Makis eny Andohatapenaka no hifamotoana ny rehetra hanaraka an’ity fandaharana ity ny sabotsy 7 septambra ho avy izao manomboka amin’ny 9 ora maraina. Raha fehezina, hoy ireo mpikarakara ity SOMANAY INTERVILLES, dia mety tsara ho an’ny mpianakavy ny toerana nosafidiana hanaovana azy.

Rehefa vita kosa ny fifanitsanana samihafa amin’ny lalao izay hohita eny, hisafidianana ny mendrika hiatrika ny fandaharana amin’ny fahitalavitra dia hiaraka hifaly amin’ny tarika Rossy sy mpanakanto maro samihafa ny rehetra, hamaranana ny fety be amin’io andro sabotsy io.

Marihina fa hisy koa ny “carnaval SOMANAY” hitety ny renivohitra hatramin’ny rahampitso zoma. Rehefa avy nitety tanàna maro teto Madagasikara izany ny SOMANAY INTERVILLES dia Antananarivo renivohitra indray no handray azy.

Reportage : Hery A.

Siteweb : www.somanay-intervilles.mg

Crédits Photos : Facebook – Somanay – Intervilles

AUDIO

PHOTOS