DÉVELOPPEMENT :
LA POLITIQUE NATIONALE DE L’AMÉNAGEMENT DES TERRITOIRES

Pour que Madagascar devienne une nation moderne et prospère, notre pays doit faire des réformes importantes dans plusieurs domaines tout en respectant notre culture et notre environnement. Ce sont des défis difficiles que nous devons affronter ensemble avec force, des paysans jusqu’au sommet de l’État en passant par les politiciens.

Dans le cadre de ces changements, nous avons adopté le Plan National Développement (PND) et le Politique Nationale de l’Aménagement du Territoire (PNAT) avec lesquels nous devons coordonner toutes les actions des administrations et des collectivités territoriales décentralisées et en tenant compte les spécificités de chacune de nos 22 régions.

Ainsi, le Schéma Régional d’Aménagement du Territoire (SRAT) permet de décentraliser avec les Communes tout ce qui a trait à l’Aménagement et l’Urbanisme. La mise en place d’un Guichet Unique afin de faciliter, simplifier et de raccourcir les délais de traitement des dossiers de la population comme par exemple les demandes de Permis de Construire est déjà effective dans plusieurs régions.

M.R.

#MALAGASY

Anisan’ny tena mahasarotiny be ny olona ny resaka fananantany. Ary io lafiny iray io dia anisan’ny iray be kolikoly indrindra satria zava masina ny resaka tany amin’ny Malagasy. Fa ankoatra izay fananana tany izay dia misy ireo dingana maro samihafa tsy maintsy hatao vao afaka manangana trano na fotodrafitr’asa iray eo amin’ny taniny ilay olona. Tsy azo hatao mihitsy ny manao na inona na inona raha tsy feno sy ara-dalana ary hoentina eny anivon’ny sampandraharaha miandraikitra izany ny antontan-taratasin’ilay tany.

Anisan’ny Sampandraharaha miandraikitra izany fanaovana antontan-taratasy izany ny SRAT na « Service Régional de l’Admninistration du Territoire » etsy Ambatomena. Satria rehefa avy nohamarinin’ny kaominina ny antontan-taratasy rehetra dia alefa ety amin’ny SRAT ka avy ety ny baiko ny hanomezana fahazon-dalàna hanao trano na fotodrafitr’asa iray na tsia ilay olona. Fa ankoatra izay fanomezana alalana ny kaominina hanome izay fahazoana manangana izay na « Permis de construire » izay dia ny fepetra rehetra mahakasika ny tany iray dia ato amin’ity sampandraharaha ity ihany koa no hahitàna ireo fepetra rehetra sy fenitra tokony harahina rehefa hanangana na hanao fotodrafitr’asa iray amin’ny tany mba hahazoana ny drafi-panajariana araka ny tokony ho izy na “plan d’urbanisation » izany.

Nisy ny fanovana ny tompon’andraikitra ato amin’ny SRAT mba hanatsarana bebe kokoa ny fomba fiasan’ity sampandraharaha ity ka anisan’izany ny fanafainganana ny fanomezan-dalana amin’ny fanomezana autorisation ho an’ny Kaominina amin’ny fanomezana « Permis de construire » izay tsy hihoatra ny 10 andro intsony. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fananganana ny « guichet unique » izay tsy ho ela intsony ka tsy ety ambatomena intsony no hanaovana antonta-taratasy fa eny amin’izay « guichet unique » izay. Izany no natao dia ny hanamorana ny fikarakarana ireo antonta-taratasin’ny tany sy ho fanakaikaizana bebe kokoa ny mpanjifa.

Fa ny tena zava dehibe dia ny firosoana amin’ny lafiny ara teknolojia sy ny informatika ka manomboka ato ho ato, dia havondrona anaty solosaina ireo mombamoba ny tany rehetra ka na tompon’ny tany, na olona te hividy ilay tany dia afaka mijery izany rehefa manana « internet » fotsiny ary afaka mahita ny mombamoba ilay tany sy ny drafi-panajariana tokony hatao amin’ilay tany. Anisan’ny efa vita amin’izao ireo tany manamorona sy eny amin’ny manodidina ny By pass.

Andoniaina Valy

#ENGLISH

In order for Madagascar to become a modern and prosperous nation, our country must make important reforms in many while respecting our culture and our environment. These are challenging challenges that we must face together with peasants to the top of the state through politicians.

As part of these changes, we have adopted the National Development Plan (PND) and the National Policy for Territorial Development (PNAT), with which we must coordinate all the actions of decentralized administrations and territorial authorities and taking into account the The specificities of each of our 22 regions.

Thus, the regional spatial planning scheme (SRAT) makes it possible to decentralize with the municipalities everything related to planning and urban planning. The implementation of a One-Stop Shop to facilitate, simplify and shorten processing times for the population, such as applications for building permits, is already effective in several regions.

#PHOTOS


(c) LCVM

#VIDÉOS


(c) LCVM

#LOCALISATION

#CONTACT

LE COEUR ET LA VOIX DE MADAGASCAR
TVMADA.COM – RADIOMADA.COM
BP. 3002
101 Antananarivo
Tel France : +33 (0) 7 82 96 12 35
Tel Madagascar : +261 (0) 34 93 281 97